RIJA RAMANANTOANINA RAHA TSY HO AHY LYRICS
Raha tsy ho ahy, ho ahy irery ianao fa ho azy koa
Raha tsy ampy anao ny iray, fa efa tianao ny mampiara-droa
Dia avelao ho ahy irery ny fitiavako fa sao dia lo
Ka tsy hahay hitia intsony avy eo
Avelao ho any koa ny lasantsika tsy hifoha
Fa na ny anio, na ny ampitso aoka tsisy ho re
Dia ny mbola tsy miroborobo faka ilay fitia
Dia aleo tapahina sao mamono
Tsy hoe tia mamitaka aho sanatria
Na hoe tsy ampy ahy ny iray f'aleoko roa
Fa nisy fitia iray tsy mbola hitako nandalo teo
Dia tsy fantatro fa lasany aho
Fa nisy fitia iray niserana nitondra afo teo
Nangatsiaka aho dia nantsoiny eo aminy
Tsy hoe sanatria tsy tia anao intsony aho dia nandeha
Nandeha aho dia niverina indray
Sao sanatria tsy ampy anao ny fitiavako
Tsy noho ianao na ny fitiavanao no antony
Ampy ahy tokoa izay nataonao sy ny fonao tena tia
Nanana amby betsaka aza ireo
F'ilay fitia izay nandalo, hafa tamiko
Nahavariana ahy ka dia niniako ho fantarina
Tsapako avy eo fa tsotra sady feno ny fitiavanao
Hafahafa ilay fitia vaovao...
Nampiova ahy ny fitia nentiny
Nampitombo ho ahy ny fitiavanao
Tany aho fa tsy nahatsiaro ho nafana ny afo nentiny
Mbola hafa ny fitiavanao!
Fa nisy fitia iray niserana nitondra afo teo
Ka nanampy ahy izy hanazava anao
Fa misy fitia iray tsy manam-petra ao anatiko ao
Voatokana ho anao sy ho ahy.
Rija RAMANANTOANINA sy Arielle / 1988
RIJA RAMANANTOANINA RAHA TSY HO AHY lyrics are property and copyright of their owners and are provided for educational purposes and personal use only.